RAZANOELINA Léontine
Partager / Haparitaka
LOCALISATION
Toerana misy azy
CATÉGORIES
SOKAJY
NOUS CONTACTER
Hifandray aminay
Hifandray aminay
Pour le moment, nous n'avons pas le temps de recevoir des appels téléphoniques directement. Pourtant vous pouvez nous écrire par SMS et MMS (peut être payants), EMAIL, MESSENGER (Vous trouverez en bas de cette page l'icône), ou écrire dans le champ de commentaire "Entrez vos commentaires ici" puis cliquez sur "Publier un commentaire". Vous pouvez également déposer des fichiers comme des photos dans le champ "Déposez les fichiers ici OU Sélectionnez les fichiers".
Hatreto dia tsy mbola misy ny fotoana ahafahanay mandray antso mivantana. Na izany aza dia azonao atao ny manoratra aminay amin'ny alalan'ny SMS sy MMS (Mety andoavam-bola manokana anefa !), na EMAIL, na MESSENGER (Jereo ery amin'ny farany ambany amin'ny pejy ny 'icône' ahafahana miditra aminy), na manoratra eo amin'ny saha ery ambany "Entrez vos commentaires ici" dia avy eo manindry ny "Poster le commentaire". Azonao atao ihany koa ny mametraka Rakitra (Fichiers) toy ny sary eo amin'ny saha "Déposez les fichiers ici OU Sélectionnez les fichiers".
ANNONCES
Fampandrenesana
Fampandrenesana
ÉVÉNEMENTS À VENIR
Hetsika ho avy
Hetsika ho avy
PRÉSENTATION GÉNÉRALE
Fampahafantarana ankapobeny
Fampahafantarana ankapobeny
DONNÉES BIOGRAPHIQUES
Ny mikasika azy ara-biôgrafia
Ny mikasika azy ara-biôgrafia
DATE DE NAISSANCE
DATY NAHATERAHANA
LIEU DE NAISSANCE
Amboniatsimo - QUARTIER Tsangambatonintaolo - COMMUNE URBAINE Tsiafajavona Ankaratra - AMBATOLAMPY 104 - MADAGASCAR
TOERANA NAHATERAHANA
Amboniatsimo - FOKONTANY Tsangambatonintaolo - KAOMININA AMBANIVOHITRA Tsiafajavona Ankaratra - AMBATOLAMPY 104 - MADAGASIKARA
DATE DE DÉCÈS
DATY NAHAFATESANA
PARENTS
RAMANANJOELINA (feu) et RAZAFINJANAHARY dite RASOAVOLOLONA (feu)
RAY AMAN-DRENY
RAMANANJOELINA (Efa maty) sy RAZAFINJANAHARY antsoina hoe RASOAVOLOLONA (Efa maty)
PARTENAIRE(S)
RAKOTOMALALA Alexis (Mort en 1988)
RAZAFINDRAINIBE Jean De La Croix (Mort en 1992)
VADY
RAKOTOMALALA Alexis (Maty tamin'ny 1988)
RAZAFINDRAINIBE Jean De La Croix (Maty tamin'ny 1992)
ENFANTS
RAKOTOMALALA Marie Noëlle
RAKOTOMALALA Jean Noël
RAKOTOMALALA Solo Noël
RAKOTOMALALA Zo Hanitra (Morte en 2003)
RAKOTOMALALA Rivo Reine Sarah
RAZAFINDRAINIBE Tatamo Maeva
ZANAKA
RAKOTOMALALA Marie Noëlle
RAKOTOMALALA Jean Noël
RAKOTOMALALA Solo Noël
RAKOTOMALALA Zo Hanitra (Maty tamin'ny 2003)
RAKOTOMALALA Rivo Reine Sarah
RAZAFINDRAINIBE Tatamo Maeva
FAMILLES - PROCHES
HAVANA - OLONA AKAIKY
IDENTITÉ NUMERIQUE
Kaonty fampahafantarana @ nomerika
Kaonty fampahafantarana @ nomerika
PRÉSENTATION AUDIO ET VIDÉO
Fampahafantarana @ horonampeo sy sarimihetsika
Fampahafantarana @ horonampeo sy sarimihetsika
PRÉSENTATION EN TEXTES ET IMAGES
Fampahafantarana @ lahatsoratra sy sary
Fampahafantarana @ lahatsoratra sy sary
Fille de paysans avec 14 enfants. Elle fut paysanne, artisane, institutrice, cheffe scoute, responsable de diverses activités de l’église catholique à Madagascar, auteur de plus de 20 livres…
Elle connaît bien “ces milieux”, et c’est pourquoi elle a été formatrice pour le projet SEECALINE, cheffe de Zone Administratif et Pédagogique au Ministère de l’Education Nationale de Madagascar, et auteure.
Titulaire du titre de Chevalier, Officier et Commandeur de l’ordre national et Commandeur des ordres des arts, des lettres et de la culture de Madagascar.
Tantsaha ny ray amandreniny. Namboly sy niompy ihany koa izy ; nanao asa tanàna ; nampianatra ; efa filohana skoto ; nitana andraikitra maro tao amin'ny fiangonana katôlika ; nanoratra boky mihoatra ny 20...
Mahalala tsara ireo "Tontolo iainany" ireo izy, ka nahatonga azy ho mpampiofana tamin'ny tetikasa SEECALINE, 'Chef de Zone Administratif et Pédagogique' tao amin'ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena, ary mpanoratra.
Manana ny mari-boninahitra "Chevalier", "Officier" ary "Commandeur de l'ordre national" sy "Commandeur des ordres des arts, des lettres et de la culture de Madagascar".
ORIGINE, ETUDES, PROFESSIONS - Fiaviana, Fianarana, Asa
SES ORIGINES
RAZANOELINA Léontine est née le 13 Avril 1952 dans un petit village rural appelé Amboniatsimo, dans le fokontany de Tsangambatonintaolo, commune rurale de Tsiafajavona Ankaratra, non loin de la chaine de montagne de l'Ankaratra. À cette époque, la plupart des habitants de cette région étaient agriculteurs et éleveurs. Les outils utilisés étaient encore traditionnels comme les pelles et les charrues tirées par des bœufs, et la production reposait principalement sur la force physique.
Ses parents étaient paysans, mais son père était également maçon. Les parents de RAZANOELINA Léontine ont eu 14 enfants : 8 garçons et 6 filles. Elle était la benjamine, mais elle avait six frères plus jeunes.
EDUCATION ET PROFESSION
Elle a étudié dans une école catholique et a obtenu son diplôme de CEPE en 1965.
Elle est entrée dans la congrégation des religieuses "Saint-Joseph de Chambéry" à Manantenasoa, Antsirabe. Cependant, cette congrégation a été dissoute lorsqu'elle avait 16 ans.
Elle a poursuivi ses études à l'internat des religieuses "Trinitaires de Rome" à Andilanatoby Ambatondrazaka, et a aidé au dispensaire.
Elle étudié la dactylographie en 1971.
Elle s'est mariée à 20 ans, mais a continué à se former de diverses manières, avec l'aide de son épouse. Ainsi, malgré deux enfants, elle a réussi le BEPC en 1974.
Elle s'est installée à Betroka en 1974 avec son mari et ses deux enfants, car son mari y travaillait. Elle a appris la coupe et couture et la confection, puis s'est tournée vers la création, devenant couturière de vêtements indiens et exportant avec succès ses produits aux Seychelles.
En 1978, elle a effectué son "Service National Hors Force Armée Populaire" et a servi à l'école primaire publique d'Ambatolampy, avant d'être recruté comme fonctionnaire.
Elle a réussi l'examen CAE/EP en 1979. Institutrice à l'école primaire publique, elle devient plus tard Cheffe de Zone Administratif et Pédagogique.
Elle a aidé son mari - RAKOTOMALALA Alexis - en enseignant, en cultivant, en élevant du bétail, en cousant et en confectionnant des vêtements [Elle était membre de l'association des artisans], ce qui leur a permis de réunir les ressources nécessaires à la création d'un établissement scolaire privé appelé SEKOLY FANANTENANA EDENA.
Son mari décède en 1988 et elle prend la direction de leur école. Âgée de 36 ans à l'époque, elle continue d'éduquer ses 6 enfants et subvenir aux besoins de la famille.
Elle poursuivi ses études de français à l'Alliance Française d'Antaninarenina à Antananarivo en 1988.
1999 : Elle a suivi une formation environnementale à Ambatobe Antananarivo, lors de l'atelier de formation des formateurs en environnement, puis l'a appliquée à la formation des agriculteurs. Cette formation a été réalisée en collaboration avec le GTZ, un projet allemand, et des visites ont été effectuées dans plusieurs communes et villages.
2000 : Elle se forme en informatique puis poursuit ses études.
2001 : Elle a présidé la Croix Rouge Malgache dans la commune rurale de Tsiafajavona Ankaratra. Elle a donnée des formations aux femmes rurales sur la cuisine à base de produits locaux. Ces formations ont été organisées dans 5 villages où le Programme national de nutrition communautaire - SEECALINE - était mise en œuvre.
NY NIAVIANY
RAZANOELINA Léontine dia teraka tamin'ny 13 Aprily 1952 tany amin'ny tanàna kely ambanivohitra antsoina hoe Amboniatsimo, fokontany Tsangambatonintaolo, kaominina ambanivohitra Tsiafajavona Ankaratra izay tsy lavitry ny tandavan-tendrombohitra Ankaratra. Mpamboly sy mpiompy ny ankamaroan'ny olona tao amin'io toerana io tamin'izany. Mbola fitaovana tranainy toy ny angady sy angadin'omby no fitaovana nampiasaina, ary miankina indrindra amin'ny herim-batana ny famokarana.
Tantsaha torak'izany koa ny ray amandreniny, saingy ny rainy no sady mpandrafitra trano ihany koa. 14 mianadahy no zanaky ny ray amandrenin'i RAZANOELINA Léontine : 8 lahy sy 6 vavy ary izy no faravavy, saingy mbola nanana zandry lahy 6.
FIANARANA SY ASA
Nianatra tamin'ny sekoly katolika izy, ary niatrika ny fanadinana CEPE tamin'ny 1965.
Kilasimandry tao amin'ny fikambanan-dry masera 'Saint Joseph de Chambery' tao Manantenasoa Antsirabe. Rava anefa io fikambanana io tamin'izy 16 taona.
Nanohy fianarana tao amin'ny kilasimandry an-dry masera 'Trinitaire de Rome' Andilanatoby - Ambatondrazaka indray sady nanampy tao amin'ny dispansera.
Nianatra 'Dactylographie' tamin'ny 1971.
Nanambady tamin'ny faha-20 taonany, saingy mbola niezaka nampiana-tena hatrany tamin'ny lafiny maro. Nanampy azy tamin'izany ny vadiny. Koa na dia efa roa anaka aza dia niatrika ny fanadinana BEPC tamin'ny 1974.
Nipetraka tany Betroka izy sy ny vadiny ary ireo zanany roa tamin'ny 1974 satria niasa tany ny vadiny. Nianatra momba ny zaitra sy ny fanamboarana akanjo bà izy sady niezaka nanao famoronana ka lasa mpanjaitra akanjon'ny karàna, ary nahavita nanondrana ny vokatra nankany Seychelles.
Tamin'ny 1978 dia nanao ny 'Service National Hors Force Armée Populaire' ka nanatanteraka izany tao amin'ny Sekoly Fanabeazana Fototra tao amin'ny tanànan'Ambatolampy, ary voaray ho mpiasam-panjakana.
Niatrika ny fanadinana CAE/EP tamin'ny 1979. Nampianatra tamin'ny E.P.P. ary taty aoriana dia lasa 'Chef de Zone Administratif et Pédagogique'.
Nanampy ny vadiny - RAKOTOMALALA Alexis - ka nampianatra, namboly, niompy, nanjaitra, nanao akanjo bà (Mpikambana tao anatin'ny Fikambanan'ny Mpanao asa tanàna) izay nahafahan'izy ireo nanana ny enti-manana hananganana sekoly tsy miankina amin'ny fanjakana izay nantsoina hoe 'SEKOLY FANANTENANA EDENA'.
Maty anefa ny vadiny tamin'ny 1988 ka izy no nisolo teo amin'ny fitantanana ilay sekolin-dry zareo. 36 taona izy tamin'izay saingy niezaka hatrany nanabe sy namelona ireo zanany 6.
Nandalina ny fianarana ny teny frantsay tao amin'ny 'Alliance française Antaninarenina Antananarivo' tamin'ny 1988.
1999 : Niofana mikasika ny tontolo iainana tany Ambatobe Antananarivo tamin'ny "Atelier de formation de Formateurs à l'Environnement', ary nampihatra izany tamin'ny fampiofanana tantsaha. Izany dia niarahana tamin'ny GTZ izay tetikasa Alemà, ary nisy ny fitetezana Kaominina sy Fokontany maromaro.
2000 : Nianatra Informatika ary niezaka nanatevina ny fahalalana momba izany taty aoriana.
2001 : Filohan'ny Fikambanana Croix Rouge Malagasy tany amin'ny Kaominina Tsiafajavona Ankaratra, ary nampiofana 'Ny fomba fandrahoan-tsakafo' ho an'ireo renim-pianakaviana tantsaha miainga amin'ireo vokatra eo an-toerana. Izany dia natao tao amin'ny fokontany 5 izay nanaovana ny 'Programme National du Nutrition Communautaire - SEECALINE'.
ACTIVITÉS DE L’ÉGLISE - Asam-piangonana
RAZANOELINA Léontine a rejoint l'organisation scoute FANILON'I MADAGASIKARA en 1991. Elle y a suivi des formations de leadership, et en a été membre pendant 33 ans.
Elle a été l'une des fondatrices de l'Union scoute d'Ambatolampy, dont elle a été présidente à un moment donné.
Elle a écrit un livre sur le scoutisme.
Elle a siégé à plusieurs reprises au Conseil pastoral de l'église Notre-Dame de Lourdes Ambatolampy.
Niditra tao amin'ny fikambanana skoto "Fanilon'i Madagasikara" tamin'ny 1991. Nanaraka ny ambaratongam-piofanan'ny mpitondra hatrany, ary mpikatroka tsy niato nandritra ny 33 taona.
Anisan'ny namorona ny "Firaisan'ny Skotisma Ambatolampy" ary nisy fotoana izay izy no filohan'izy ity.
Nanoratra boky momba ny skotisma.
Matetika dia isan'ny Filankevitra pastoralin'ny Fiangonana Notre Dame de Lourdes Ambatolampy Antampontanana.
ŒUVRES LITTÉRAIRES - Asa literera
Écrivaine et poète depuis l'âge de 13 ans, RAZANOELINA Léontine adore voyager, ce qui transparaît dans ses écrits.
De nombreux thèmes se retrouvent dans ses écrits : l'environnement, la relation entre la nature et l'humain, l'amour, le devoir, etc.
Elle est membre de l'OMDA et est coordinatrice de la branche de l'association FARIBOLANA SANDRATRA qui regroupe les poètes et écrivains d'Ambatolampy.
LES LIVRES QU'ELLE A ÉCRIT
1970 : Iny lalana iny
1972 Décembre : Ako ady anaty akata
1981 : Fanantenana
1975 : Fitia fahazaza
1979 : Fitiavana mahasakodiavatra
1995 : Mialy
1996 : Hafatr'i Dada 1
1997 : Zanatsipika nandefona fo
2000 : Renikely
2001 : Hafatra nahasavolaina
2002 : Heripo sa tsongodia
2003 : Ilay fampakarana
2004 : Ilay mpivahiny
2008 : Diso fitempo
2019 : Ako
2020 : Reny roa (Deuxième édition)
2020 : Dokotera Ndimby (Deuxième édition)
2020 : Hafatr'i Dada TAMBATRA
2020 : Patrakala 1 et 2 (avec des amis)
2020 : Tomarataratra
2021 : Somambisamby amorom-parihy
2022 : Manjombona maraina
2022 : Ankodimirana
Mpanoratra sady poeta nanomboka tamin'ny faha-13 taonany. Tia mitety tany ary hita ao amin'ny asa sorany izany.
Tara-kevitra maro no hita ao amin'ny asa sorany : NY TONTOLO IAINANA, NY FIFANDRAISAN'NY ZAVABOARY SY NY OLONA, NY FITIAVANA, NY ADIDY...
Mpandrindra ny sampana Faribolana SANDRATRA izay ivondronan'ireo poeta sy mpanoratra ao AMBATOLAMPY, ary mpikambana ao amin'ny OMDA.
NY LOHATENIN'IREO BOKY NOSORATANY
1970 : Iny lalana iny
1972 Desambra : Ako ady anaty akata
1981 : Fanantenana
1975 : Fitia fahazaza
1979 : Fitiavana mahasakodiavatra
1995 : Mialy
1996 : Hafatr'i Dada 1
1997 : Zanatsipika nandefona fo
2000 : Renikely
2001 : Hafatra nahasavolaina
2002 : Heripo sa tsongodia
2003 : Ilay fampakarana
2004 : Ilay mpivahiny
2008 : Diso fitempo
2019 : Ako
2020 : Reny roa (Edisiona faharoa)
2020 : Dokotera Ndimby (Edisiona faharoa)
2020 : Hafatr'i Dada TAMBATRA
2020 : Patrakala 1 sy 2 (niarahana tamin'ny namana)
2020 : Tomarataratra
2021 : Somambisamby amorom-parihy
2022 : Manjombona maraina
2022 : Ankodimirana
SUCCÈS, MÉDAILLES DU MÉRITE - Fahombiazana, Mari-boninahitra
De 1982 jusqu'au milieu des années 1990, l'établissement scolaire SEKOLY FANANTENANA EDENA était la plus grande école privée non confessionnelle du district d'AMBATOLAMPY. RAZANOELINA Léontine et son mari, RAKOTOMALALA Alexis, ont bâti l'école de toutes pièces, surmontant de nombreux défis et obstacles. Ils ont d'abord proposé du soutien scolaire aux élèves préparant les examens officiels, puis créé des classes de niveau secondaire, et enfin des classes complètes de la maternelle à la terminale. Son mari était directeur de l'école, mais après son décès en 1988, elle a pris la relève.
2012 : Un concours a été organisé en Afrique australe sur le thème "L'environnement face au changement climatique", et RAZANOELINA Léontine a obtenu la deuxième place.
2013 : De même, elle a participé à un concours en Afrique australe sur le thème "La propagation du VIH/SIDA" et a obtenu la deuxième place.
Le gouvernement malgache lui a décerné le titre de Chevalier de l'Ordre national en 2000, puis le titre de Commandeur de l'Ordre national plus tard.
2025 : Le gouvernement malgache lui décerne le titre de Commandeur des Ordres des Arts, des Lettres et de la Culture.
Tamin'ny 1982 hatramin'ny tapatapak'ireo taona 1990 dia ny SEKOLY FANANTENANA EDENA no sekoly tsy miankina amin'ny fanjakana sy tsy miankina amin'ny finoana no be mpianatra indrindra tao amin'ny distrikan'Ambatolampy. Azo lazaina ho niainga tamin'ny tsy misy i RAKOTOMALALA Alexis sy ny vadiny RAZANOELINA Léontine raha namorona io sekoly io, ary marobe ireo olana sy sakantsakana tojo azy ireo tamin'izany. Nampanao "Cours" ireo mpianatra hiatrika fanadinam-panjakana aloha ry zareo, avy eo namorona ny sekoly nahitana ny kilasy ambaratonga faharoa, ary nanitatra izany ho an'ny kilasy garabola hatramin'ny kilasy famaranana. Andriamatoa RAKOTOMALALA Alexis moa no tena nitantana io sekoly io tamin'izany, izay nodimbiasany tamin'ny 1988 rehefa maty ity vadiny ity.
2012 : Nisy ny fifaninanana natao taty amin'ny faritra atsimon'i Afrika izay niresahana "Ny tontolo iainana manoloana ny fiovaovan'ny toetr'andro", ka nahazo ny laharana faharoa i RAZANOELINA Léontine.
2013 : Torak'izany ihany koa, niatrika ny fifaninanana taty amin'ny faritra atsimon'i Afrika izay niresahana "Ny fiparitahan'ny VIH/SIDA" izy ka nahazo ny laharana faharoa.
25 Aogostra 2000 : Nomen'ny fanjakana malagasy ny "Chevalier de l'Ordre National", avy eo ny "Commandeur de l'Ordre National" taty aoriana.
2025 : Nomen'ny fanjakana malagasy ny "Commandeur des ordres des arts, lettre et culturel".
VISION
Vina
Vina
PROJETS
Tetikasa
Tetikasa